ambohimanga rova
ravi | 04 Janoary, 2007 15:38
efa volaza daholo angamba ny fiainana madinidinika fa izao indray de hiditra lalin-dalina kokoa isika; rehefa mitodika mianavaratra any isika de mahita rn mankany anjozorobe izay toa lalana mahafinaritra tokoa satria malama ery saingy ny maharatsy azy de rehefa fety misy tratry ny loza foana rireo fiara asa na ilay fiara mpitatitra olona mankany avaratra any no mandeha mafy loatra na ny fiara kely koa no tena tsy mitandrina fa de tena ahitana izany foana any de fiara mpitatitra olona koa aloha tena mandeha mafy eh izay tsy azo lavina satria manenjika vola angamba tsy haiko fa hajaniko eo iny ary: fa izao koa aho mba tiako ho ampitana any aminareo izay mamaky ity lahatsoratra ity sady mba sahitsaino kely ange eh?isika malagasy malaza hoe be mahantra sady tena mampalahelo kosa aloa eh nefa isaky ny mandinika ny auto mifanerasera eny an-dalana ianareo de tena feno ary mikatso tanteraka mihitsy ny lalana ! ny ankamarony dia efa itony fiara taty aoriana itony daholo ary ilay atao hoe luxe ary ny olona anefa de mahavidy lasantsy soaman-tsara fa tsy hoe mipetraka fotsiny fiarany de izao koa eh! betsaka kosa aloa ny mafiady eh sady tena mampalahelo hitako tamin'ny fandalovako izany , ary efa nihainako koa ilay izy ary izao de mbola malahelo ireo havako sy mpiray tanindrazana amiko hatramizao satria tena mafy ilay mahantra ka nefa tsy azo ialana amin'ny fotoana vitsy fa mandinika tsara ny atao izay vao miamivaotra tsikelikely ao koa anefa ireo izay efa nahita ny mahasoa fa tsy nahy mitandrina de ireny indray aloha tsy haiko ny hiteny azy na fahadisoany na fiainana tsy maintsy hatrehany ....? ka io ilay lazaiko hoe inona tena marina ny fiainana ve no mandahatra sa ny tena mitandrina sy mihezaka de tafita sa efa fandaharan'andriamanitra fiainana rehetra ? ny ahy aloa de efa nankiniko amin'andriamanitra ny tohiny fa mirary anareo mba ho tafita koa ary misaotra betsaka namaky ny lahatsoiratra oh!
ilay vohitra ambohimanga
ravi | 23 Oktobra, 2006 05:35
tohizan-tsika indray ilay tantara dia ilay vohitra iray atao hoe ambohimanga:ny tena marina aloha dia misaotra anareo rehera izay efa namaky ilay lahatsoratra aho ary koa mbola misaotra anareo izay mbola hamaky ny tohiny ny tantara izy ity moa tsy de hoe fahaizana tantara fa mba fampafantarana ny zava misy ao amin'io vohitra io! raha ho halalinina kokoa tokoa mantsy de misy vavahady samy hafa manodidina io vohitra io tony atao vavahady vato itony izay samy manana ny narany avy izy ireo fa tsy hoe vavahady tsotra ireny ! fa izao koa no tena zavatra mahagaga ahy fa tsy haiko aloha ianareo fantatrareo moa fa tsy mbola nisy telefona tamin'ireny andro ireny ka nefa i andrianampoinimerina nipetraka taty ambohimanga ary ny zanany nipetraka tery manjakamiadana ahoana ary ny fomba hifampiantsoiny ry zareo raha fantatrareo? setroka ony no halefa ka manisa i radama ka misy fomba himpafantarany zareo an! manana "mot de passe "koa izany ry zareo mbola hijanona aty ambohimanga ihany isika nareo moa tsiako raha efa nandalo tany amin'izao fotoana izao fa lasa toa tena miantsara mhitsy ny rova izao sady azo atao hoe mahafinaritra ny fandraisana ary ny fomba fiteny tena raitra de raitra! raha vahiny aza moa afa-po satria manana traikefa tsara ireo tanora miasa ao sad mba tsy miavonavona fa tena mahafinaritra eh! tsy ho ela de ho tonga amin'ny ilay hoe tonga lafatra ka nefa moa izany tsy ho tanteraka mihitsy,fa ny lalana mankany fotsiny no mila fandinihana kely fa tsy de ao amin'ny ilaina azy satria ny vahiny tsy maintsy mandeha amin'ny iny arabe iny daholo ny ankamarony fa tsy handeha avion daholo, raha tsy hoe tena efa tena harifomba tanteraka ny fifandraisana mbola ho nofinofy ihany aloha anefa izany hatreto ka mba mangataka ny manam-pahefana mba ho jereny kely ny lalana iny satria ny fihezana ny ao amin'ny rova mahafinaritra fa ilay lala no toa tsy de ao loatra ka ampitampitao any raha afaka manampy eh! ny fisaorana aloha de mbola averiko amin'areo rehetra izay namaky ny soratanako!
ilay ambohimanga
ravi | 07 Jiona, 2006 09:31
miarahaba anareo izay mamaky ity lahatsorata ity ary mirary anareo mba hamaky ilay tantara kely mba ampafanatariko momba ny ambohimanga rova ,tsy de hoe olona manana trahikefa mantsy aho fa mba milaza izay fantako mombany ambohimanga ,aleo angamba hatombotsika amin'ny lohany de hoe aiza tokoa moa ny maka ny taxi be mankany ambohimanga rova? etsy amin'ny toerana antsoina hoe ambodivona izay tsy lavitra ny andravohangy ary mian'avaratra mankany amin'ny lalana mankany anjozorobe any ary mirefy eo amin'ny 22 km miala n renivohitra eo izy izy dia anisany vohitra manan-tantara raha teo amin'ny tantarany madagasikara satria avy ao no nisy ilay mpanjaka iray fanta-daza hoe andrianampoinimerina sady manan-tsaina no matsilo izay efa nampihaky vazaha maro raha ny ati-doha no refesina , ary vao miditra ny tanana ianao de mahita trano fahiny ireny satria mbola ireny daholo ny akabiazany trano eo antam-pitanana ary manodidina miala kely indray ahitana ireo trano efa manomboka moderne raha amin'ny teny vahiny, eo akaky ny fidirana eo dia ahitana vavahady vato izay tena ahafantarana an'ambohimanga koa satria matetika io vavahady io no mipetaka amin'ny carte postal isan-karazany rehefa miresaka any ambohimanga, tsy lavitra eo kou ny fiangonana protestante izay efa somary ela koa ny niforonany ,satria efa maro ireo olona mana-kaja efa navoakany izany fiangonana izany, izay efa notazaina aram-panahy tao mihitsy, ny fiangonana moa mitondra ny anarana hoe amboara izay manana mpanao fanatanjahatena tena mavitrika tokoa azo atao hoe misy tena manampahaizana mihitsy satria manana mpanao basket efa mba azo atao hoe efa tena mahafehy tsara ny zavatra ilaina raha tsy hiteny ny fiadina ny coupe fianagonana avarandrano tamin'ny taona2004 izay lasan'io fianagonana io ao koa ny mpanao volley izay ny ankamaroany moa tsy olona mipetraka any ambohimanga, fa mianatra avy any amin'ny renivohitra daholo ny sasany aza de tsy any mada intsony amin'izao fa efa lasa nanohy fianarana any ampita any ka raha te ahafantatra bebe kokoa ny ambohimanga ianao de mirary soa anao mba handalo any rehefa mankany madagasikara ary mijery ny mahan-kanto ny ambohimanga sy ny rivotra iainanay olona any ,tsy de mbola feno setroka auto mantsy ny rivotra any ,ka mirary anao mba ho tonga soa aman-tsara any izany.
Tonga soa ravi!
ravi | 06 Jiona, 2006 09:42
Ity no lahatsoratra voalohany ao amin'ny blaoginao. Azonao fafaina na ovaina ao amin'ny
Toeran'ny mpandrindra ity lahatsoratra andrana ity.
Misaotra anao mampiasa ny Blaogy.