ambohimanga rova

ilay ambohimanga

ravi | 07 Jiona, 2006 09:31

miarahaba anareo izay mamaky ity lahatsorata ity ary mirary anareo mba hamaky ilay tantara kely mba ampafanatariko momba ny ambohimanga rova ,tsy de hoe olona manana trahikefa mantsy aho fa mba milaza izay fantako mombany ambohimanga ,aleo angamba hatombotsika amin'ny lohany de hoe aiza tokoa moa ny maka ny taxi be mankany ambohimanga rova? etsy amin'ny toerana antsoina hoe ambodivona izay tsy lavitra ny andravohangy ary mian'avaratra mankany amin'ny lalana mankany anjozorobe any ary mirefy eo amin'ny 22 km miala n renivohitra eo izy izy dia anisany vohitra manan-tantara raha teo amin'ny tantarany madagasikara satria avy ao no nisy ilay mpanjaka iray fanta-daza hoe andrianampoinimerina sady manan-tsaina no matsilo izay efa nampihaky vazaha maro raha ny ati-doha no refesina , ary vao miditra ny tanana ianao de mahita trano fahiny ireny satria mbola ireny daholo ny akabiazany trano eo antam-pitanana ary manodidina miala kely indray ahitana ireo trano efa manomboka moderne raha amin'ny teny vahiny, eo akaky ny fidirana eo dia ahitana vavahady vato izay tena ahafantarana an'ambohimanga koa satria matetika io vavahady io no mipetaka amin'ny carte postal isan-karazany rehefa miresaka any ambohimanga, tsy lavitra eo kou ny fiangonana protestante izay efa somary ela koa ny niforonany ,satria efa maro ireo olona mana-kaja efa navoakany izany fiangonana izany, izay efa notazaina aram-panahy tao mihitsy, ny fiangonana moa mitondra ny anarana hoe amboara izay manana mpanao fanatanjahatena tena mavitrika tokoa azo atao hoe misy tena manampahaizana mihitsy satria manana mpanao basket efa mba azo atao hoe efa tena mahafehy tsara ny zavatra ilaina raha tsy hiteny ny fiadina ny coupe fianagonana avarandrano tamin'ny taona2004 izay lasan'io fianagonana io ao koa ny mpanao volley izay ny ankamaroany moa tsy olona mipetraka any ambohimanga, fa mianatra avy any amin'ny renivohitra daholo ny sasany aza de tsy any mada intsony amin'izao fa efa lasa nanohy fianarana any ampita any ka raha te ahafantatra bebe kokoa ny ambohimanga ianao de mirary soa anao mba handalo any rehefa mankany madagasikara ary mijery ny mahan-kanto ny ambohimanga sy ny rivotra iainanay olona any ,tsy de mbola feno setroka auto mantsy ny rivotra any ,ka mirary anao mba ho tonga soa aman-tsara any izany.
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb