ambohimanga rova

ilay vohitra ambohimanga

ravi | 23 Oktobra, 2006 05:35

tohizan-tsika indray ilay tantara dia ilay vohitra iray atao hoe ambohimanga:ny tena marina aloha dia misaotra anareo rehera izay efa namaky ilay lahatsoratra aho ary koa mbola misaotra anareo izay mbola hamaky ny tohiny ny tantara izy ity moa tsy de hoe fahaizana tantara fa mba fampafantarana ny zava misy ao amin'io vohitra io! raha ho halalinina kokoa tokoa mantsy de misy vavahady samy hafa manodidina io vohitra io tony atao vavahady vato itony izay samy manana ny narany avy izy ireo fa tsy hoe vavahady tsotra ireny ! fa izao koa no tena zavatra mahagaga ahy fa tsy haiko aloha ianareo fantatrareo moa fa tsy mbola nisy telefona tamin'ireny andro ireny ka nefa i andrianampoinimerina nipetraka taty ambohimanga ary ny zanany nipetraka tery manjakamiadana ahoana ary ny fomba hifampiantsoiny ry zareo raha fantatrareo? setroka ony no halefa ka manisa i radama ka misy fomba himpafantarany zareo an! manana "mot de passe "koa izany ry zareo mbola hijanona aty ambohimanga ihany isika nareo moa tsiako raha efa nandalo tany amin'izao fotoana izao fa lasa toa tena miantsara mhitsy ny rova izao sady azo atao hoe mahafinaritra ny fandraisana ary ny fomba fiteny tena raitra de raitra! raha vahiny aza moa afa-po satria manana traikefa tsara ireo tanora miasa ao sad mba tsy miavonavona fa tena mahafinaritra eh! tsy ho ela de ho tonga amin'ny ilay hoe tonga lafatra ka nefa moa izany tsy ho tanteraka mihitsy,fa ny lalana mankany fotsiny no mila fandinihana kely fa tsy de ao amin'ny ilaina azy satria ny vahiny tsy maintsy mandeha amin'ny iny arabe iny daholo ny ankamarony fa tsy handeha avion daholo, raha tsy hoe tena efa tena harifomba tanteraka ny fifandraisana mbola ho nofinofy ihany aloha anefa izany hatreto ka mba mangataka ny manam-pahefana mba ho jereny kely ny lalana iny satria ny fihezana ny ao amin'ny rova mahafinaritra fa ilay lala no toa tsy de ao loatra ka ampitampitao any raha afaka manampy eh! ny fisaorana aloha de mbola averiko amin'areo rehetra izay namaky ny soratanako!
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb